SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 7 ny atleta malagasy 3 mianadahy, i Fabia, i Avotra ary i Antonio, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Maorisy, tamin’ity herinandro ity. Teo amin’ny sokajy Seniors no nifaninanan’izy ireo.
Nahomby ny “stage de recyclage”, taranja Muay, notontosaina, omaly, teny amin’ny Petit Palais Mahamasina. Tonga marobe ireo mpiofana, naka traikefa tamin’ny Maître Razanajatovo Gildas, nanomboka tamin’ny Zaza 5 taona hatramin’ny olon-dehibe. Hanomboka anio kosa ny fifaninanam-pirenena.
Hotanterahina rahampitso, any amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, ny lalao hihaonan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Uscafoot Analamanga. Lalao tara iray tafiditra amin’ny fifanintsanam-pirenena « World Cola PFL » izy ity. Tsiahivina fa raha mandresy eo ny Uscafoot dia tafita amin’ny dingana manaraka izy ireo, raha resy kosa, ny Mama Fc no tafita any amin’ny Playoffs.
Manify tanteraka ny fanantenana hiakaran’ny Barea Ladies, any amin’ny dingana manaraka ny Can Futsal 2025, izay tontosaina any Maroc. Hiankina amin’ny vokatra azon’i Senegal sy i Tanzanie, araka izany, ny mety hahatafita azy ireo na tsia any manasa-dalana. Ankoatra izay, efa tafita any amin’ny manasa-dalana i Maroc sy i Angola.

Partager sur: