TARATRY ny KANTO

Anisan’ny nanaitra ireo mpankafy ny sanganasan’i Jaojoby nandritra ny seho tany Antsirabe, ny nahenoana indray ireo hira efa tsy dia fanaon’ity andrarezin’ny hira malagasy ity intsony. Anisan’izany ny hira amin’ny teny anglisy iray, tamin’ny gadona reggae, izay efa noforoniny tany amin’ny taona 1974. Teo koa ny hira tanatin’ny rakikira voalohany « Salegy » sy ny faharoa « Velogno », izay nametrahany indray fa tsy napetraka fahatany ho mpanjakan’ny salegy izy.
Tsy maintsy mamaky boky ny mpampianatra sy mpianatra, indrindra ny eny amin’ny oniversite. Mila hamafisina kokoa ny vaky boky manoloana ny fivoaran’ny teknolojia. Nisongadina, omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ireo, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny boky sy zon’ny mpanoratra. Saingy, mety ho diso aoriana ihany raha eny amin’ny ambaratonga ambony vao manao izany. Mila miainga any amin’ny ambaratonga fototra.
Mbola miaina ao anatin’ny tsy fahampiam-pahalalana ny momba azy ny Malagasy. Vitsy no ma­hafantatra fa : « rehefa fady dia fady ». Tsy misy ny « fady be » sy ny « fady kely » izany. Hatramin’izao, anefa, ireo fadim-bahiny no lazain’ny Malagasy sasany fa fadiny. Raha nanota fady indray izy dia vitan’ny hoe : « izay fady kely iny koa no tsy voatandrina ». Mila mahafantatra ny momba azy ny Malagasy tsirairay raha te hiaina marina ny tena fahafahana.

Partager sur: