Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) kaomisiaria foibe any Mahajanga, omaly tamin’ny 1 ora maraina, ny jiolahy iray raindahiny. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ity olon-dratsy voatafitra ity. Avy nanao fanafihana hafa tany Mahavoky Atsimo izy io no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana. Nifanenjehana nanomboka teny Mahavoky Atsimo hatrany Tsaramandroso Ambony ity farany. Nandositra sy mbola sahy nanohitra ireo mpitandro filaminana izy rehefa nasaina nijanona sy nosamborina moramora. Namoaka antsy tany aminy izy ary nikasa hamely ny polisy. Vokany, voatery nitifitra ny polisy ka nahafaty azy.
Jiolahy anisan’ny efa mpamerin-keloka noho ny vaky trano sy halatra maro isan-karazany izy io. Efa nisazy sy nigadra matetika ary miverina manao ny asa ratsiny indray rehefa tafavoaka ny fonja. Efa ela nokarohina tao anatin’ny fotoana ela ihany koa izy io ary izao tratra izao.
Marihina fa anisan’ny mampihorohoro ny mponina any an-toerana ity farany. Manao ny ezaka mikaroka ireo namany roa hafa ny mpitandro filaminana hatramin’izao. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hampandriana fahalemana ny tanàna maro samihafa izao hetsika izao.
Mino