Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica

Maro dia maro to­koa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica.

Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne?
Noeline Erica (-): Ra­soanantenaina Noeline Erica no anarako, 24 taona aho izao. Tamin’ny taona 2023 aho no tonga taty Allemagne voalohany. Manaraka izay, tamin’ny voalohany aloha tena hoe tsy nisy inona nahasarika ahy izany mihitsy ary tsy nahataitra ahy loatra akory aza ilay hoe andeha hivoaka an’i Madagasikara. Tsy nahalala akory aho tamin’izany ny fisian’ireo zavatra tsara marobe azo hatao aty ivelany aty. Ireo havana mipetraka aty ivelany sy ny namako no nampiditra an’izay hevitra izay tao an-tsaiko ary izy ireo hatrany no nanentana ahy andeha ho aty, dia izao tonga aty izao. Marihiko fa nanaraka tsara ireo hevitra sy dingana natoron-dry zareo fotsiny aho.

* Manao ahoana ny fiainana any Allemagne raha ampitahaina ny aty Ma­dagasikara?
– Ny fiainana angamba aloha amin’ny ankapobeany dia mitovy daholo ihany eto amin’ity tany ity. Raha ho an’i Allemagne sy i Madagasikara manokana no asiana fampitahana kely, tena misy tombony kokoa ny mipetraka aty ivelany. Aty somary lafo ny fiainana, ary ny asa tsy moramora saingy mifanaraka tsara amin’izay ny karama raisinao. Ny resaka fandriampahalemana ihany koa, azo lazaina mbola milamina tsara ny aty. Madio tanteraka ny tontolo iainana.

* Mifandray tsara ve ianareo Malagasy any Alle­magne any ?
– Eny tena mifandray tsara ny Malagasy aty Allemagne. Tena mahay miray hina na ankafaliana, na ankaratsiana, tena hoe mahafinaritra ny firaisankinan’ny samy Mala­gasy eto an-toerana. Ary azo lazaina hoe tena efa betsaka sy mitombo hatrany ny Malagasy monina aty.

* Inona avy ny dingana tokony hatao raha tiana ny ho any Allemagne ?
– Raha mikasa ny ho aty Allemagne, ilaina ny mianatra ny teny alema, voalohany indrindra. Ary mila mahafantatra ireo fandaharana : «Au pair, FSJ ( année de volontariat), ary ny Ausbildung (For­mation professionnelle en alternance)». Ireo zavatra telo ireo no nataoko taty sy ho mbola hataoko. Azonao atao koa nefa ny miala any Madagasikara sy ny miasa avy hatrany aty. Manana ny pejiko manokana anaty tambajotra serasera ny tenako, «Erica et ses aventures», izany, ary afaka mifampiresaka sy manoro hevitra ho anareo aho, ho an’izay maniry ny ho aty.

* Aminao manokana, sarotra sa mora ilay hoe mivoaka any ivelany ?
– Amiko, tsy mora ilay mivoaka aty ivelany aloha amin’ny akapobeany. Any Madagasikara dia efa mieritreritra tsara ny zavatra tianao hatao aty. Ilaina ihany koa anefa ny mahafeno ny fepetra amin’ilay zavatra tianao ho­tanterahina. Ankoatra izay, somary mandany vola ihany koa, ianao no miantoka ny tenanao raha tiana ny ho aty. Fehiny, tsy misy ny zavatra mora angamba, fa eo amin’ny fiainana rehefa manao zavatra ka te hanatratra ny tanjona iray, ilaina hatrany ny manana finiavana sy faharetana ary tsy ilaina ny toe-tsaina mora kivy. Somary sarotra koa ilay miaina lavitra fianakaviana, saingy ilaina ny manamafy saina.

* Marina ve ilay hoe tia misotro labera ny olona any Allemagne? Efa kolontsaina ve ilay izy ?
– Eny, tena tia misotro labiera ry zareo mponina aty Allemagne, ary manana karazana labiera maro mihitsy. Ho an’izay efa mahafantatra dia efa toy ny kolontsaina sy fombafomba an-dry zareo mihitsy izany. Fa tsy ny olona rehetra aty no misotro labiera na izany aza.

* Hafatrao farany ho an’ ireo tanora malagasy ?
– Hafatra ho antsika tanora Malagasy mba maniry ny hanana fiainana tsara kokoa rehefa any aoriana any, ka maniry ny ho aty ivelany na hoe hijanona ao Madaga­sikara ihany. Tena miha sarotra andro aman’alina ny fiainana na aiza na aiza, ka aza variana fa mandeha ihany koa ny fotoana, raiso an-tanana ny hoavinao dia aza variana manonofy na mitsiriritra ny hafa fotsiny fa fantaro ihany koa izay zavatra tianao hatao eo amin’ny fiainanao dia mametraha tanjona ary mitadiava hevitra hatrany, ataovy izay hanatrarana an’iny tanjona iny. Manana finiavana ny hikaroka, aza malaina man­dany vola sy fotoana amin’ny zavatra mety hahasoa anao. Aza hadinoina ny mametraka ny hoavinao eo anatrehan’ilay nahary. Tsara ny mampahafantatra fa firenena iray efa hitangoronan’ireo tanora ma­lagasy amin’izao i Allemagne.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: