Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankohonana Miarina ». Nampahafantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa frantsay Fonto de Vivo, manana traikefa amin’ny fanadiovana ny rano ho fisotro.
Mampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny fanadiovana ny rano ity orinasa ity. Tsy mampiasa akora simika, hahatonga ny rano avy amin’ny lavadrano, renirano, ranon’orana ho azo sotroina. Mahavita mamokatra rano fisotro madio 200 000 litatra ao anatin’ny roa taona ny fitaovana fanadiovana tsirairay.
Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana maharitra sy fiatrehana ny zava-misy isan-toerana ny tetikasa. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Fonto de Vivo eto amintsika, Anthony Cailleau, fa efa maro ny firenena nametrahan’ny orinasa fotodrafitrasa toy izao.
Notsipihin’ny Sekereteram-panjakana SESA, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa hatao tetikasa filamatra ny any Fieferamanga, ary haparitaka manerana ny Nosy. Tsotra ny tanjona, fanapariahana vahaolana tsotra sady haingana ary maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy isan-toerana.
Njaka A.