Voalevina tamin’ny sabotsy ny Papa François, lehiben’ny fiangonana Katolika Romana. Nanatrika izany, nisolotena ny Malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady
Nanainga avy hatrany nihazo ny tany Vatican ny delegasionina, taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI, natao teny Ivato. Navoitran’ny fanambarana teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa maneho ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ny fiangonana katolika amin’ny anaran’ny vahoaka sy ny firenena malagasy ny filoha Rajoelina Andry mivady. “Tsaroana hatrany ny resaka sy dinika nifanaovana taminy sy ny fitsidihana apostolika nataony teto Madagasikara ny 6 hatramin’ny 9 septambra 2019”, hoy ny fanambarana.
Etsy andaniny, maherin’ny 200 000 ireo nanotrona ny fandevenana ny Papa François. Miisa 160 ny delegasionin’ireo filoham-panjakana, naneho fiaraha-miory tonga tany Vatican. Anisan’ izany ny avy any Amerika latinina, kaontinanta nihavian’ny papa François, indrindra ny filohan’i Arzantinina, Javier Milei sy ny filoha Brezilianina, Lula Da Silva.
Tsy azo natrehina
Maro ny manampahefana ambony avy amin’ny firenena lehibe toy ny filoha Amerikanina, Donald Trump. Tonga nanome voninahitra farany ihany koa ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Torak’ izany ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Gueterres sy ny Chancellier an-dry zareo Alemà, Olaf Scholz, ary ny praiminisitra Britanika, Keir Starmer sy ny filohan’i Ukraine, Zelenski. Manginy fotsiny ny andriamanjaka avy amin’ny firenena maro. Anisan’izany ny mpanjakan’i Belzika, Espana, Lesotho, Monaco, Jordanie sy ireo avy amin’ny finoana hafa.
Nanomboka tamin’ny 10 ora ny fotoam-bavaka, notarihan’ny kardinaly, Giovanni Battista Re, afakomaly. Nasitrika ao amin’ny bazilikan’ny Sainte-Marie-Majeure avy eo ny nofo mangatsiakan’ny Ray Masina François. Tsy azo natrehan’olona maro ny fanitrihana ny razana. Ho fanatanterahana ny hafany fony fahavelony ny fandevenana tamin’ny fomba tsotra indrindra.
Synèse R.