Nampivarahontsana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fahavoazana nihatra tamin’ireo mpianatra nanao dia fibeazana tany Mahajanga. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka ary samy naka lesona ny rehetra. Ao ireo nandray fanapahan-kevitra tsy handefa ny zanany intsony satria tena raiki-tahotra.
Natao ny zoma sy sabotsy teo, manerana ny Nosy ny fifaninanana hidirana ho mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Efa tamin’ny taona 2022 no nanaovana ny fisoratana anarana ho an’ity fifaninanana ity. 3 taona aty aoriana anefa vao izao tanteraka izao. Efa nisy tamin’ireo nisoratra anarana no tsy vonona intsony hiatrika izany.
Mifarimbona amin’ny fikarakarana ny kianja manara-penitra eny Ambohidratrimo ireo kaominina efatra manodidina. Handraisana ireo mpiadina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana BEPC sy bakalorea manomboka amin’io volana mey io ny kianja. Ny kaominina Ivato, Talatamaty, Ambohidratrimo ary Iarinarivo no nanatanteraka ny asa.
Ny CSB no rafitra manakaiky vahoaka indrindra amin’ny rafitra ara-pahasalamana. Io no tokony hatonina voalohany raha misy tsy fahasalamana na torohevitra. Misokatra amin’ny fotoana rehetra. Mpiasan’ny fahasalamana efa nahazo toromarika amin’ny fanatsarana ny fandraisan’olona no eny amin’ny CSB.