Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, fanindroany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura indray ny maha judokas kalaza azy eto Afrika, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg. Tamin’ny alalan’ny Ippon, tamin’ny segondra farany no nandavoan’i Laura, ny mpifanandrina taminy, i Ornella Biami (CAM), teo amin’ny famaranana. Efa niady hatramin’ny fiandohan’ny fifandonana tamin’ity teratany Camerounaise ity i Laura ary efa resiny tamin’ny Waza-ri io mpifanandrina taminy, iray minitra tsy hifaranan’ny ady, saingy nolavin’ny mpitsara izany. Resin’i Laura ihany anefa i Ornella Biami, ka nisalotra ny medaly volamena fanindroany, teo amin’ny sokajy Seniors -70kg izy.
Nahazo traikefa
Tsiahivina fa Malagasy mpikatroka 5 mianadahy no nihazo an’i Côte d’Ivoire niatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity. Judokas lehilahy iray, i Hyacinthe Angelo, izay laharana faha-7, rehefa naratra teo amin’ny ampahefa-dalana. Teo ihany koa, Razafindrakalo Natacha Ralevazaha, izay laharana faha-5, taorian’ny fiadiana ny medaly alimo, Ramorasata Idealisoa, izay resy teo amin’ny fihodinana voalohany, i Hajanirina Zo ary Rasoanaivo Razafy Laura, nahazo medaly volamena. Azo lazaina fa nahazo traikefa ireto solontena malagasy ireto izay tsy azo atao hoe ratsy ny vokatra, amin’ny maha fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity fifaninanana ity.
Mi.Raz