Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malama­maina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsarata­nàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao asa ratsy aminy izy. Nanaiky hitarika ny zandary amin’ny tanàna misy ireo dahalo ireo izy. Namolavola paikady hisamborana ireo mpiara-miasa amin’io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanararaotra nandositra tao anatin’ny haizina nandritra ny fitarihany ny dia anefa ilay mpaka an-keriny. Nampiasa fitaovam-piadiana ny zandary ka lavo tamin’izany io dahalo io. Mitohy ny fikarohana ireo namany. Marihina, tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambanitsena, kaominina Brie­ville, ny 5 janoary teo ity dahalo lavo ity. Nandray anjara tamin’ny fihazonana takalonaina tao amin’ny fokontany Belavabary sy Ambohitrarivo, ny 6 avrily teo, izy.

Tsiferana R.

Partager sur: