Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana amin’izao ny amin’ny tsy fandriampahalemana? Misesy ary mitohy ny fidinana ifotony. Tsy misy fampandrosoana raha tsy mitoetra sy maharitra ary azo antoka ny fandriampahalemana. Izay no ahazoana miasa sy mamokatra amim-pitoniana, iarovana sy anohizana ny ezaka vita… Nefa tsy misy koa izay fandriampahalemana marina sy maharitra, raha tsy misy fampandrosoana: lalana vita sy tsara, fahazavan’ny tanàna tsy isiana sy anjakan’ny olon-dratsy, mpitandro filaminana ampy isa sy fitaovana… Miara-dalana amin’izay fampandrosoana mampisy sy miantoka ny fandriampahalemana izay koa ny famoronana asa, asa mahavelona, velona milamina sy manana ny hoavy…
Tsy ny tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany no hoe filaminana sy fandriampahalemana, fa eo indrindra koa ny asa tsy misy fitaintainan-dava sao voaroaka ny tena na mikatona ny orinasa, ny fananana fahafaha-mividy mahasehaka ny vidim-piainana, ny fisian’ny angovo toy ny herinaratra enti-miasa sy ny rano enti-mivelona sy miasa, ny fahazoana mitsabo tena raha marary, ny fampianarana ny ankizy… Fampandrosoana takina sy mifameno amin’ny hoe fandriampahalemana avokoa izany. Mby aiza?
Miara-dalana mandrakariva ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana. Matoa manjaka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, tsy mbola tafapaka any ifotony ny fampandrosoana? Na ny mifamadika amin’izay: matoa tsy tafapaka any ifotony ny fampandrosoana, misy ny tsy fandriampahalemana… Ny any ifotony no mitondra na iorenan’ny vatan-trano? Mila vina sy fijery vaovao. Ny fiainana milamina no mampandroso, fa ny fampandrosoana koa no mampilamina ny fiainana sy ny fihariana. Aiza ho aiza? Na mba efa misy mipaka eny ifotony ahay izay atao amin’izao…
R. Nd.