Otrikafo Rabevahiny Elia: “Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy”

“Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanambaran’ny filoha Frantsay fa ny fiaraha-mitantana no hodinihina. Fanekena faharesena sahady manoloana ny adihevitra ny fiaraha-mitantana. An’ny Malagasy ireo Nosy ireo eo amin’ny lafiny jeografia, tantara, lalàna. Rehefa tafaverina ireo, ho hita eo indray izay mety ho endriky ny fiaraha-miasa azo atao. Ny ady dia ny hiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madaga­sikara. Mba hialana amin’ny fanagiazan’i Frantsa. Tsy ny Frantsy no hametraka amin’i Madagasikara hoe fiaraha-mitantana. Inona no ho azo amin’izay fiaraha-mitantana izay? Fitaka izany, ka mila mailo.
Tsy maintsy miaraka amin’ny hafa i Madagasikara amin’ny fitakiana. Misy olana izao amin’i Mayotte sy Kaomoro amin’ny fifandraisana amin’i Frantsa. Tokony hazava ny toeran’i Madagasikara amin’ izay. Raha manohana an’i Kaomoro i Madagasikara. Sarotra ny ieritreretana hoe ny Nosy Mayotte dia departemanta frantsay, na amin’ny lafiny jeografia aza. Afa-manohana an’i Madagasikara koa i Kaomoro amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina. Tsy mila hararaotina ny fahalemen’i Frantsa, mitsotsorika amin’izao. Na ny maro anisa eo anivon’ny parlemanta frantsay aza, tsy azon’ny filoha Emmanuel Macron. Sahirana izy aty Afrika, efa manomboka very remby. Miala aminy i Mali, i Burkina Faso. I Sénégal nanala ny miaramila frantsay ao aminy. Manomboka very tombontsoa aty Afrika i Frantsa, mitady hamahatra mafy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe In­dianina.

 

R. Nd.

Partager sur: