« Tafan-gilita » : Hialohavana fifaninanana tendry gitara ny hetsika

Hetsika goavana ho an’ny « gilita ». Hatambatra anatin’ny « Festival Tafan-gilita », izay mety ho hetahetan’ireo mpankafy ny tendry gitara rehetra. Hanombohana izany ny fifaninanana ho an’ireo rehetra liana.

«Gilita». Anarana ni­­voaka tany amin’ ny taona 70-80 tany, nilazana ny gitara. Tsy ny gitara rehetra anefa io, fa ilay nofaritana hoe «accoustique», misy tadiny vy na «nylon» ary tsy mila herinaratra. Ilay azo lalaovina amina toerana sy fotoana rehetra, tsy mila herinaratra ary nitety vanim-potoana sy nanaraka ny fironana maneran-tany iza­ny.
Noho izay fitiavana ny tendry gitara miampita sy mitety vanim-potoana izay, hikarakara ny « Festival Tafan-gilita » ny mi’Ritsoka Production. « Hetsika goavana, hatokantsika ho an’ny tendry gitara, ilay mampiray sy mampiombona, ilay manamarika ny fanombohana ny fidirana ana­ty mozika ary ilay mitoetra ma­ndrakizay io. Fanomezam-boninahitra ireo nampiaina ny revy gilita, fa fanandratana sady sehatra ho an’ireo tanora aty aoriana ihany koa ny tanjona», hoy Randriamam­pi­anina Hery, tale jeneralin’ny mi’Ritsoka Production.
Araka izany, hisy ny fifaninanana «tendry gilita», ha­nombohana ny hetsika. Miso­katra ho an’ireo rehetra tia sy mitendry gilita, na lahy na vavy, ary tsy misy fetran-taona izany. Misokatra ma­nomboka izao ny fifaninanana, ka amin’ny alalan’ny « vidéo » fohy, tsy mihoatra ny 2 minitra. Hasaina ireo liana hanao izay fandraisan-tsary sy feo tsotsotra izay, saingy ahitana tsara ny fitendrin’ny tanana sy ny endrika milalao. Gitara tadiny vy na nylon no lalaovina, ka mila hatao mazava tsara ny feo. Alefa amin’ny mailaka any amin’ny tafangilita.fifaninanana@gmail.com izany, na alefa amin’ny «mes­ssenger» ao amin’ny pejy «Tafan-gilita Festival». Ma­na­na hatramin’ny 31 mey izao ireo te hifaninana amin’izany.
Marihina fa hotontosaina ny 14 sy 15 septambra izao ny ivon’ny hetsika. Hiaraka mandritra izany ny fampirantiana sy varotra mahasika ny gitara, atrikasa, fizarana traikefa, torolalana isan-karazany, poa-tsatroka ary fampisehoana goavana. Mandritra io fotoana io koa ny dingan’ny famaranana ny fifaninanana, ka ny andro voalohany ny manasa-dalana ary ny faharoa kosa ny hahafantarana izay ho mpandresy. Avy hatrany dia hiray sehatra amin’ireo kalaza amin’ny tedry « gilita » ireo tafakatra.
Efa fantatra fa anisan’ireo mpitsara ny fifaninanana ireo mpitendry gitara toa an’i MBola Talenta, Tojo Gui­tariste, Teddy Sôlô, Jovin. Hi­sahana ny fandrindrana ankapobeny kosa i Jack Thierry ary tale ara-javakanto i Hiary Rapanoelina. Homena miandalana ny andinindininy.

Zo ny Aina

Partager sur: