Tratra ny rongony nafatratra tao anatin’ny gony miisa sivy tao amin’ny fokontany Ambohitsara, kaominina Matsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra, ny sabotsy 26 avrily teo. Nentina andian’olona io entana io, ny hariva tamin’ny 7 ora. Nosavain’ny zandary avy hatrany ireo mpitatitra entana nampiahiahy ireo. Natsipin’izy ireo anefa ny gony ary nirifatra nandositra avokoa ireo nitondra izany. Natao ny fanamarinana kinanjo rongony avokoa ireo nokasaina hotaterina ireo. Nanararaotra nisitrika tany anaty kirihitra ireo vatan-dehilahy. Nanaosarotra ho an’ny mpitandro filaminana ny fikarohana azy ireo tao anaty haizina. Vokany, tafaporitsaka avokoa ireo nitondra ny rongony. Nogiazana ary nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary ireo rongony am-polony kilao ireo. Araka ny angom-baovao voarain’izy ireo, saika amidy tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray ao an-toerana ireo entana tratra ireo.
Tsiferana R.