Mitsinjo ny fampivoarana ny fambolen’ny tantsaha ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny fanomezana masomboly voamaina sy vary fotsy.
Miisa 18 ny fokontany ao anatin’ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimalinike, nisitraka fanampiana avy amin’ny orinasa Base Toliara, ny 18 sy 19 avrily teo. Nahitana masomboly kabaro miisa 133 gony sy vary fotsy 417 gony ho an’ny tantsaha any amin’ny kaominina Tsianisiha, ary masomboly voamaina 98 gony sy vary fotsy 302 gony ho an’ny kaominina Ankilimalinike. Tohin’ny fanadiovana ny lakandrano notohanan’ny Base efa natao izao hetsika izao. Notsipihin’ny talen’ny kabinetran’ny faritra Atsimo Andrefana, Rendela Rosalio, fa zava-dehibe tokoa ity fanohanana ny tantsaha ity, indrindra ny olana mahakasika ny tsy fahampiana ara-tsakafo vokatry ny fiovan’ny toetr’andro.
« Fotoana fambolena ny kabaro tokoa izao », hoy Raelison Pierre. Ho an’i Anjaraoahy Fradel, mpamboly any Beravy Tsianisiha, « fanampiana lehibe ho anay ireo fanampiana ireo, satria tsy nanana tahiry masomboly mihitsy izahay. Tsy maintsy mivarotra ny biby fiompy izahay vao afaka mividy masomboly tany aloha ».
Miova ny toe-tsain’ireo nanohitra ny tetikasa
« Manomboka ahitam-bokany sahady ny tetikasa fanohanan’ny Base ny lafiny sosialy sy ny fiainan’ny mponina. Nitsotra izany ny tanora iray, nahazo ny diplaoma bakaloreany tamin’ny taona 2016, nefa tsy mahita asa hatramin’izao. Efa miova ny toe-tsain’ny olona any an-toerana amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ireo nanohitra ny tetikasa Base. Maro tamin’izy ireo no nandray anjara tamin’ny fanadiovana lakandrano farany teo. Toa an’i Vavaly Mahasovy, monina any Benetse Ankilimalinike, nilaza fa « anisan’ireo nanohitra ny Base aho, saingy rehefa tena fantatro ny vaovao marina rehetra, nanapa-kevitra fa manohana 100% ny Base Toliara ny tenako. Tsy nanana rano nandritra amam-bolana maro izahay. Tsy maintsy ho tanteraka ity tetikasa ity ary antenaiko fa tsy handray fepetra hamono ny vahoaka ny fanjakana ».
Njaka
Andriantefiarinesy