Atsimo Andrefana: Hampiroborobo ny fizahantany ny orinasa Base

Nanome ny jery todika mahakasika ny tontolon’ny fizahantany, ny filohan’ny Fi­lankevi-pitantanana ny (PCA) ny Ofisim-paritry ny Fizahan­tany Toliara (ORTU), Ranaivo­son Odilon. Nambarany, fa « olana ny halaviran-toerana. Tsy misy intsony ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena aty Toliara, nanomboka ny 31 marsa 2024. Mihapotika ny lalam-pirenena RN7 ».
Miezaka mafy hanarenana ireo ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany any an-toerana, hanomezana aina vao ity sehatra ity. Natomboka, volana vitsy lasa izao, ny tetikasa Big South Madagasi­kara, mahakasika faritra efatra any atsimo (Isalo-Ihorombe, Anôsy, Atsimo Andrefana, Menabe). « Atao ny ady sisika hamerenana ny zotra iraisam-pirenena. Eo am-pamolavolana ny tolotra vaovao, toy ny fitsidihana ireo farihy fito sy ny any Makay. Vinavinaina hisy mpizahatany 300 000 isan-taona ny any atsimo, raha mi­kendry 1 tapitrisa ny fanjakana amin’ny taona 2028 », hoy ihany izy.
Anisan’ny noresahan-dRa­naivoson Odilon koa ny fisian’ ny tetikasa Base Toliara. Notsi­pihiny, fa « hisy tokoa ny asa hiforona. Fa mialoha izany, hisy ireo vahiny teknisiana hiasa ho an’ny orinasa ho avy sy hi­petraka aty Toliara. Hampi­roborobo ny fizahantany aty Atsimo Andrefana izy ireny ka hampitombo ny fifanakalozam-bola aty an-toerana ».
Aminy, « azo vinavinaina hampiasa vola hanitatra ny seranam-piaramanidina To­liara ny Base. Eo koa, ny fampiofanana ny tanora. Tsy atahorana ity tetikasa ity rehefa manaraka amin’ny antsipiriany ny bokin’andraikiny ».

Njaka A.

Partager sur: