Nihaona tamin’ny tale jeneraly ny Fadin-tseranana –DGD malagasy, Lainkana Zafivanona, sy ny ekipa teknika miara-miasa aminy, ny manampahaizana roa amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Victor Budau sy François Chastel. Manohana sady mampiofana ny teknisianina malagasy ao amin’ny ladoany malagasy izy ireo, nanomboka ny 24 avrily hatramin’ny 7 mey ho avy izao.
Ampiasaina ny teknolojia nomerika, ka tafiditra ao anatin’ izany ny Faharanitan-tsaina artifisialy na « intelligence artificielle » (IA), izay efa miroborobo tokoa amin’izao fotoana izao. Efa mampiasa azy ny ladoany, toy ny fanadihadiana aotomatika ny sary (Resnet) amin’ny fitiliana atao. Eo koa ny Smart Scaning sy ny Enhanced Risk Assessment (ERA), fanadihadiana ny ambana na ny hosoka mety hitranga.
Notsipihin’ny DGD ny Ladoany, fa zava-dehibe ny hamondronana amin’ny fitahirizana iray ny antontam-baovao rehetra mahakasika ny ladoany. Ahafahana manao ny fanadihadiana sy entina handrindrana ny asa atao ny IA, amin’ny dingana rehetra arahina ka hampahomby ny tanjona ho tratrarina, sady hampitombo ny vola miditra amin’ny fadintseranana.
Njaka A.