Nanolotra laboratoara ahafahana mamantatra manokana ireo karazana tsimokaretina sy valanaretina, teny amin’ny LA2M Androhibe, ny solontenan’ny firenena rosianina, omaly. Miavaka io laboratoara io noho izy anaty fiara ka afaka entina mitety toerana maro. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, manampy ny mpitsabo mpikaroka amin’ny fitiliana ireo santionan’aretina mandringana toy ny Ebola, ny pesta hatramin’ny nendra-drajako… io fitaovana io. Mahatratra 500 isan’andro ny fitiliana azo tanterahina amin’ny alalan’ilay laboratoara. Ahafahana mahazo voka-pitiliana iray isaky ny 30 minitra,
hoy ny nambaran’ny solotenan’ny Federasionina Rosianina, monina sy miasa eto Madagasikara, Alexeï Buriak. Nanatrika ny fanolorana io fampitaovana io, ny solontenan’ny ministeran’ny Fahasalam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy.
Tsiferana R.