Famonoana an’i Tricha: adiny dimy taty aoriana, hita tao an-trano ny razana

Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana.

Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany hitan’ny fianakaviana, nialoha ny fanaovana fitiliana ny razana teny amin’ny HJRA, omaly. Mbola mitazona ho tsiambaratelo ny valin’ny fizahana ny fianakaviana na dia efa vita aza izany.
Tsiahivina fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, teny 67 Ha ity tovovavy vao 17 taona, zanaka vavimatoan’ny Fandrama no za­nak’ ankanabavin’i Pierrot Ma­ta­tana ity. Tsy mbola fantatra mazava ny zava-misy marina, niseho afakomaly. Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana.
Tsy nisy nanatri-maso no tsy misy manamarina ny tena zava-nisy ny fianakaviana, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana. Ny filazan’izy ireo dia mbola nisy nahatsikaritra niaraka tamin’ny olona roa teo ivelan’ny tranony ity lasibatra ity, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro.

Tsy vaky ny varavarana
Raha ny zava-niseho dia tena nampivarahontsana. “Mety tafaraka niditra taminy tao an-trano ireo olon-dratsy mpanolana sy mpamono olona. Tsy nisy nipitsoka ny varavarana”, hoy ny fianakaviana nanazava tamin’ny mpanao gazety. “Nanolana, namono olona, nangalatra ny entana tao an-trano ireo olon-dratsy”, hoy hatrany izy ireo.
Marihina fa efa tamin’ny fito ora alina vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy. Mifanandrify amin’ ilay ora voalaza fa nahitan’ny manodidina azy farany ny fotoana nahafatesany nambaran’ny dokotera. “Efa maty ho adiny dimy tany ho any izy io”, raha ny fanamarihana azon’ny fianakaviana tamin’ny mpitsabo.
Marihina, tokony nianatra nirava tamin’ny 12 ora izy ny sabotsy, mialoha ny namonoana azy. Vantany vao tsy azo antso izy dia efa nanao fikarohana azy ny fianakaviany, araka ny fanazavana ihany. Efa alina vao hita tao amin’ny efitrano iray izy, hoy izy ireo namarana ny fitantarana. Halevina rahampitso ny razana.

Mino

Partager sur: