Naneho hevitra ny momba ireo Nosy Malagasy ny depiote, Ratsiraka Sophie. “Miaraka miaiky isika fa tsy mbola manana fitaovana entina miaro sy mitrandraka ny zava-misy ao”, hoy izy. Nanteriny anefa fa tokony isika Malagasy no tsara miresaka matotra sy mametraka raha hiara-mitantana ireo Nosy ireo, ahafahana mijery ny fepetra rehetra momba izany.
Niompana amin’ny ho fampandrosoana ny kaominina sy ny eo anivon’ny distrika ny fihaonana eo amin’ireo ben’ny Tanàna miisa 22 any amin’ny distrikan’ Amparafaravola sy ny depiote, voafidy tany an-toerana, Vololomboahangy Tsiriniaina. Nitarika izany ny filohan’ ny fikamban’ny ben’ny Tanàna, Rabemarosoa Mampionona.
Miatrika ny “Forum Parlementaire de la Sadc-FP”, any Windhoek, Namibie, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nitohy amin’ny fivorian’ ny komity mpanatanteraka ao amin’ny Sadc-FP, nanomboka omaly izany ary hifarana ny 30 avrily izao.
Nanterin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc teny Alasora, ny herinandro teo, fa filoha tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny filoha ankehitriny. Antony nahatonga azy tsy niatrika ny fifidianana izany. “Tsy hiara-kilahatra aminy kandidà vazaha izahay. Nitsikombakomba taminy ny eo anivon’ny HCC ka nanakona ny marina”, hoy izy.