Tonga eto Madagasikara ny Exo. Tarika miangaly ny hira sy mozika kristianina, mampita hafatra. Hanatanteraka fampisehoana sy fifampizarana traikefa ho an’ny Malagasy.
«Ta bienveillance », « Je veux n’être qu’à toi », « Si tu veux le louer »… Hanakoako eto Madagasikara indray ireo hira mampalaza ny tarika Exo ireo. Fampisehoana telo avy hatrany no hotontosainy amin’izao fandalovany izao. Ny 1 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny « Centre de conférence Internationale » (CCI) Ivato. Ny 3 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao Antsahamanitra. Ny 9 mey, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny CRJS Toamasina. Hanatanteraka fihaonana sy fifanakalozana ho an’ny rehetra kosa i Chris sy Laura Christensen (mpikambana mpanorina ny Exo), ny 2 mey, manomboka amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy. Nomarihan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Impact Event mpikarakara ny seho sy ny dian’ny tarika Exo eto Madagasikara fa mpitendry zavamaneno teratany malagasy avokoa no manaraka an-dry zareo amin’ireo seho sy fihaonana ireo.
Samy hanana ny mampiavaka azy ny seho
Fantatra fa tsy hitovy ny fandaharan-kira ho an’ny seho eny amin’ny CCI Ivato sy ny ao Antsahamanitra. Tsy hitovy ihany koa ny endriky ny seho, satria, handray anjara amin’ny fampisehoana etsy Antsahamanitra ireo izay voafantina tamin’ny fifaninanana « Giveway ». Ankoatra izay, hisy tarika hafa ihany koa handray anjara. Izy ireo no hanokatra ny fampisehoana, mialoha ny fiakarana an-tsehatry ny tarika Exo. Nanterin’ny mpikarakara sy ny mpandray anjara fa nandritra ny roa volana efa tao anatin’ny famerenana tanteraka ry zareo. « Azo antoka fa fampisehoana mendrika ny voninahitr’Andriamanitra sy ny maha zavakanto azy no ho hitan’ny mpijery », hoy izy ireo.
Fampanjakana ny fahamarinana, fiadanana, fifaliana, fandriampahalemana… Anisan’ny antom-pisian’ny tarika Exo sady hampitainy ao anatin’ny kanto ataony rahateo.
HaRy Razafindrakoto