Mpandimby ny papa François : Raikitra ny fanomanana ny fifidianana

Tsy miandry ela! Hotan­terahina, manomboka ny alarobia, fahafiton’ny mey ny fikatonan-trano “Conclave”, hifidianana ny handimby ny toeran’ny papa François, taorian’ny fodiamandriny. Efa nanomboka nivory, omaly, ireo kardinaly rehetra tonga any Vatican amin’izao fotoana izao nandinika ny ho fizotry ny fifidianana ho eo amin’ny toeran’ny fiketrahana Masina. Anisan’ny notapahana tamin’ izany ny tetiandro hirosoana amin’ny “Conclave”. Tsy azon’ ny olon-kafa hatrehina izany fa natokana ho an’ireo kardinaly latsaky ny 80 taona ihany. Hotanterahina ao amin’ ny “Chapelle Sixtine Vatican”, tahaka ny mahazatra rehefa hifidy ny papa ihany izany fanatanterahana ny fifidianana izany.
Hanombohana ny fotoana ny firosoana amin’ny sorona Masina. Hitohy amin’ny alalan’ ny fifidianana roa voalohany izany.
Kardinaly Tsarahazana Desiré

Etsy andaniny, mitohy ny fihaonan’ireo kardinaly rehetra, na ireo efa voky taona aza, mandra-pahatongan’ny fotoana hananterahana ny “Conclave”. Hifampizarana ao anatin’izany koa ny fizotran’ny fiainan’ny fiangonana amin’ny ankapobeny. Iarahan’izy ireo midinika ny momba toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny toeran’ny fiangonana manoloana izany.

Miainga avy amin’ny dinika mialoha ireo no ahitana ny mety ho endrik’izay ho Papa Ray Masina manaraka, handimby ny toeran’ny papa François. Tsiahivina fa mahatratra 105 amin’ireo 135 kardinaly mpifidy no notendren’ny papa François, fony fahavelony. Samy azo fidina avokoa izy ireo anisan’izany, ny kardinaly Tsarahazana Desiré.

Synèse R.

Partager sur: