ONG UWS Madagascar : Manohana ny fanabeazana ao Morombe

Nitsidika ny distrikan’i Morombe, nandritra ny herinandro, ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampiarana avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy. Ao anatin’ izany ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpiray ombon’antoka samihafa sy ny mpanohana teknika. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana misy sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray om­bon’antoka. Nitsidika ireo sekoly efatra amin’ny 22 hatsangana miaraka amin’ny ONG UWS Madagascar ao Amboroke, Ankazomanga, Isosa ary Ankotapiky ao anatin’ny Cisco Morombe izy ireo. Natao nandritra ny fandalovany tany an-toerana koa ny fametrahana ny vato fototry ny fotodrafitrasa ho an’ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Mangolovolo sy Tsianihy.
Hitondra fivoarana ho an’ny fanabeazana ny fahazoana sekoly vaovao amin’ireo toerana ireo. Hita taratra izany tao anatin’ny dimy taona farany. Satria, nitombo ny isan’ny ankizy niditra an-tsekoly ho an’ny distrikan’i Morombe. Ankoatra ny fanorenana efitranon-tsekoly, manofana ireo mpanabe avy eo an-tanàna ihany koa ny ONG UWS Madagascar hitazona ny kilasy vaovao.

Vonjy

Partager sur: