Sehatra iombonana ho an’ny famokarana: Hitondra tombontsoa sy hampandroso ny toekarena

Vaindohan-draharaham-panjakana ny fampandrosoana ny famokarana sy ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ao ana­tin’ny tetikasa « Valabe ». Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay ho an’ny tombontsoa iraisana hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Vahaolana hanamorana ny fampiasam-bola aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny tetikasa « Valabe » na ny sehatra iombonana ho an’ny famokarana (espace commun agricole) apetraky ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Tetikasa hifanohanana sy hifanampian’ireo nosy manodi­dina ary ialana amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana vokatra avy any ivelany. Va­ha­olana ara-toekarena ny tetikasa manoloana ny korontana ara-toekarena misy amin’ izao fotoana. « Antso ho an’ny firaisan-kinan’ireo nosy aty amin’ ny ranomasimbe India­nina ny tetikasa Valabe », hoy ny se­kretera jeneralin’ny COI, Raza­findravahy Edgard, nandritra ny lahateniny tamin’ny fanokafana ny fihaonamben’ ny filoham-panjakana sy go­verne­manta, ny alakamisy teo, teny amin’ny CCI Ivato.
Ho an’i Madagasikara ma­nokana, midadasika sy ma­nana karazana toe-tany tsara ho an’ny famokarana sy vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay isika. Tombondahany ny hanohanana ireo 80% ny tantsaha hanatsarana sy hampiroboboana ny vokatra ho an’ny fampandrosoana ny toeka­rena. Heverina fa vahaolana lehibe ny hanatanterahana ny tetikasa. Ilaina, araka izany, ny hanentanana sy hanofanana ireo mpamokatra hamaliana ny filana aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny kalitaom-bokatra takina ary ny fenitra apetraka eo anivon’ny tsena.

Tombontsoa

Takina ao anatin’ny teti­kasa ny hametrahana firaisan-kina sy ny tombontsoa iraisan’ ny nosy rehetra hahatrarana ny fahaleovan-tena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. «… Fa­noitra ho an’ny fampandro­soana ny fahavitan-tena. Fo­toana izao hamokarana sy hanandratana avo ny otrika­rena sy ny fahaiza-manaon­tsika. Ilaina ny firaisan-kina sy ny fifanohanan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny COI ho an’ny fampandrosoana lovainjafy », hoy kosa ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nanohana sy resy lahatra tamin’ny fanambaran’ ny filoha malagasy ireo filoham-pirenena sy delegasiona avy amin’ireo nosy rahavavy hahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.
Maro samihafa ny tombontsoa iombonana ao anatin’ny tetikasa valabe. Tombony lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoan’ny firenena tsirairay ny tetikasa. Ahafahan’ireo vokatra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy manamafy orina ny fifaneraserana eo amin’ny nosy manodidina ary mana­tsara ny fifanakalozana eo amin’ireo firenena mpikam­bana.

????????????????????????????????????

Miara-mientana

Efa mifampiresaka ankehitriny ireo firenena mpikam­bana eo anivon’ny COI hanatanterahana ny tetikasa valabe. « Misy ny antanan-tohatra sami­hafa mandinika manokana ny lafiny ara-teknika ny tetikasa. Aorian’io, miakatra eo anivon’ ny filankevitry ny minisitry ny COI ary miakatra eo anivon’ny fihaonambe raha ilaina izany », hoy ny minisitry ny Rahara-ham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, omaly.
Vahaolana ara-stratezika ny tetikasa “valabe”. « Mana­tsara ny fandraharahana sy ny fifanakalozana ara-barotra aty amin’ny ranomasimbe India­nina », hoy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Mada­ga­sikara (SIM), Rasamimanana Tiana. Manantena ny indostria eto Madagasikara fa hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana hanatanterahana ny tetikasa. Notsindrian’ny filo­han’ny SIM manokana fa isan’ ireo fehin-kevitra voalaza tao anatin’ny fihanamben’ny CEO Summit andiany voalohany nivondronan’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpitantana orinasa, mpampiasa vola ary mpandraharaha ma­nerana ny faritry ny ranomasimbe Indianina ireo mandra­fitra ny fandaharanasa ape­traky ny COI. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny « label indian ocean » hampiroboroboana ny vokatry ny indostria aty amin’ny faritra. Ny fanatsarana ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fametrahana fenitra ara-kalitao ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Zava-dehibe, araka izany, ny hanohizana sy hampaharitra ireo vina hanatanterahana ireo ezaka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fahavononan’ny tsirairay avy.

Henintsoa

Partager sur: