Sehatry ny fizahantany : Niofana ireo mpanombantombana amin’ny VAE

Notanterahina nandritra ny roa andro, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiofanana ho an’ireo mpanombantombana (Evalua­teurs) en Validation des Ac­quis de l’Expérience (VAE). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny direction des evaluations professionnelles et de la validation des acquis de l’expérience sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary notohanan’ny Institut de la Franco­phonie pour l’Educa­tion et la Formation (IFEF), amin’ny alalan’ny Organisa­tion Inter­nationale de la Fran­cophonie (OIF) izany.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana politika ankapoben’ny fitondram-panjakana napetraky ny filohan’ny Repo­blika, mikendry ny fanofanana ho fototra hanatsarana sy hanomezana lanja ny loharanon’olombelona izany.
Mpandray anjara miisa 35 no tafiditra amin’ity atrikasa ity. Nahitana ny mpampiofana sy matihanina avy amin’ny sehatry ny fizahantany. Tan­jona ny hanofanana olona afaka hiasa ho mpanombantombana (évaluateurs), mandritra ny fanadinana “Valida­tion des Acquis de l’Expérience” hotanterahina tsy ho ela eo amin’ny sehatry ny fizahan­tany.
Mbola hitohy amin’ny fanofanana ho an’ireo Concep­teurs de mise en situation pro­fessionnelle sy ireo mpikambana ao amin’ny mpitsara izany.

Vonjy

Partager sur: