Tontolo rock: Hiray sehatra ry Kiaka sy Iraimbilanja

Tafaray hiaka-tsehatra ny tarika Iraimbilanja sy Kiaka, ao anatin’ilay hetsika « Mo­zik’Iray ». Mpanohana ofisialy ny Airtel Madagasikara, izay hotanterahina amin’ny alahady 4 mey 2025 ho avy izao ny voalohany etsy Antsahama­nitra. Hatao ny 30 mey 2025 kosa ny fampisehoana faharoa any Moramanga. Hiom­pana amin’ny gadona Rock sy ny manodidina azy ny tolotra homen’ireto tarika tsy hizoviana amin’ny mpankafy intsony ireto, ary samy manana ny mampiavaka azy avy. Ao ny tena mavesatra, eo ny haingam-pandeha, misy koa ny gadona milantolanto sy/na ny hiram-pitiavana sy ny sisa hafa rehetra. Tsy mifidy mpankafy koa satria sahaza ny karazana sokajin-taona samihafa, mianga amin’ny kely indrindra hatramin’ny efa zokiny.
Nilaza Ramiandrarivo Jimmy, tampon’andraikitra avy amin’ny Airtel Madaga­sikara, fa manohana hatrany ny talentan’ny mpanankanto amin’ny alalan’ny hetsika miavaka ny orinasa. Izay no nahatonga ny safidy tany amin’­ireto tarika roa efa diso fantatry ny mpankafy am-polo taonany maro nifandimby ireto. Satria tarika tsy niova teo anatrehan’ny mpankafy azy hatramin’izay ry Iraim­bilanja sy Kiaka, nahatonga ny fiaraha-miasany amin’ny Airtel. Koa, azo antoka fa hafana sy hipoaka tokoa ny sehatra mandritra ny fotoana rehetra ny fampisehoana etsy Antsahamanitra sy any Moramanga.

Njaka A.

Partager sur: