Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao Toamasina, notarihan’ny minisitra mpiahy azy, ny minisitry ny Serasera sy kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, amin’ny ankapobeny. Fotoana nisantaran’ ny minisitra sy ny solombavambahoaka ny hetsika ny fambolen-kazo. Zana-kazo 27 isa no nambolena tamin’izany. Nahitana zana-kazo fihinamboa miisa 25, zana-kazo Baobab ny iray, izay afaka maniry tsara eo an-toerana, raha any Mahanjanga sy Morondava no malaza misy azy io. Manam-pikasana ny handrakotra an’ ity karazan-kazo ity ao Toamasina ny mpanao gazety. “Miavaka ianareo mpanao gazety eto Toamasina raha amin’ny samy mpanao gazety. Satria, tsy vitan’ny manao fikaroham-baovao sy fitrandrahana vaovao ary manoratra lahatsoratra fotsiny fa manome endrika fandraisana anjara mavitrika amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Serasera sy kolontsaina, nandritra ny lahateniny. Manao antso ho an’ireo tomponandraikitra ara-panjakana any an-toerana izy mba hanohana ny hetsika sy ezaka ataon’ny mpanao gazety mivondrona anatin’ny fikambanana AJT. Nambarany fa mendrika alain-tahaka ny hetsika toy izao. Satria, mitsinjo ny hoavin’ny taranaka any aoriana ary manome endrika ny renivohitra ara-toekarenan’i Madagasikara ihany koa. “Matotra hatreto ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety ary hita ny finiavan’ny filoha mitarika azy ireo amin’ny fanaovana sa soa”, hoy kosa ny governoram-paritra Atsinanana mpisolo toerana.
Ankoatra ny fambolen-kazo, nanamarika ny hetsika fankalazana ihany koa ny fizarana vary iray kitapo sy menaka iray litatra ho an’ny mpanao gazety tsirairay avy. Notohizan’ny filohan’ny AJT hatreny anivon’ny fokontany izany ho an’ireo renim-pianakaviana marefo ara-pivelomana. Notolorana vary 5 kilao avy ny tokantrano 100 tany Analankinina, Hopitalibe.
Tonga nanatrika ny hetsika ireo mpikambana sy ny solontenam-panjakana, teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Serasera sy kolontsaina izay mpitondran-tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. Notronon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritanin’i Toamasina, Naharimamy Irmah. Teo koa ny governoram-paritra Atsinanana mpisolo toerana, Rakotovao Andry, ary ny ben’ny Tanàna lefitra faharoan’ ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
Nanolotra 2 tapitrisa Ariary ho an’ny mpanao gazety
Taorian’ny fivoriambe farany izay natao tamin’ny taona 2023, mbola nahalany hatrany ny filoha am-perinasa nandritra ny fifidianana, ka nankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny fikambanana. Natao fanamby ny hisafidy hetsika ara-tontolo iainana isaky ny volana avrily, sabotsy voalohany aorian’ny paska. Efa telo taona nisesy izay, mahakasika ny tontolo iainana hatrany no hanehoana ny fankalazana ny tsingerin-taona, ankoatra ny fiaraha-misakafo.
Ho an’ity fakalazana ny faha-17 taonan’ny fikambanana ity, natao tetsy amin’ny trano fisakafoanana “La Marmite” Mangarano ny fiaraha-misakafo, ny sabotsy teo.
Nanolotra lelavola 2 tapitrisa Ariary hanampiana ny mpanao gazetin’i Toamasina ny minisitra nandritra izany. Mba hahafahana manao ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 3 mey ho avy izao. Izay atao any Morondava.
Ilana fahatokisan’ny orinasa lehibe
Misy ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny filoha mpitarika ny fikambanana sy ny orinasa lehibe any an-toerana. Antony iray ahafahan’ny fikambanana manatontosa
hetsika iray izany, anisan’ izany ny fahazahoana vary miisa
85 kitapo amin’ny 50 kilao sy menaka 85 litatra. Fanomezana avy amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina Spat izany. Avy amin’ny faritra Atsinanana kosa ny vary 5 kitapo amin’ny
50 kilao ary lelavola 400 000 Ariary. Nanolotra lelavola 1 tapitrisa ariary sy espace vert ho tantanan’ny mpanao gazety hanaovana fananjarina sy fanatsarana kosa ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Ankoatra ireo, nanampy tamin’ny fandokoana ny hopitalibe ny sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana. Nanolotra zana-kazo fihinamboa miisa 25 tsara fanomanana ihany koa. Nanome “Big Beton” kosa ny orinasa tsy miankina, nanaovana seza vato atao fipetrapetrahana ao amin’ny toerana nohajarian’ny mpanao gazety.
Amin’ny ankapobeny, ilana fahatokisan’ny olom-panjakana sy ny lehiben’ny orinasa ny fitarihana fikambanana. Mba hahafahana miaina sy miasa malalaka. Nambaran’ny filohan’ ny AJT, Sabotsy José Aimé, fa raha fikambanana rehetra mijoro ara-dalàna any Toamasina no samy manao toy izao dia hadio sy harevaka i Toamasina.
Nanatontosa : Sajo