VAOVAO TAMBATRA

Vaky ny fantson-drano iray manana habe 60 sm eny Mandroseza I, nahatonga ny fahatapahan-drano tamin’ny toerana maro teto an-dReni­vohitra, nanomboka omaly maraina. Maharitra adiny 8 ora ny asa fanamboarana. Anisan’ny voa­kasiky ny tsy fisian’ny rano ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatona­kanga, Anta­ninarenina,…, Antaninandro, Behoririka, …, Manja­karay, Ambo­ditsiry, Tsiadana, Mahamasina, Fort Voyron, sns.

Mahatratra 18 000 ha ny velaran-tany hare­nina amin’ity taom-pambolena 2025 ity, raha 33 500 ha ny tanjon’ny Fandaharanasa PLAE IV. Miisa 20 000 ny tokantrano hisitraka ny asa. Naha­tratra 22 300 ha ny velaran-tany voajary tao anatin’ ny 3 taona (2022-2025) tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo nataon’ny olon-tsotra, voly hazo kaominaly, ala fiarovana, ala vadimboly ary toeram-piraofan’ny biby fiompy nohatsaraina.

Hanomboka amin’ny 9 mey 2025 ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ny hazo novolena tamin’ity taona ity. Ao anatin’izany ny fanoloana ireo hazo maty na tsy naniry. Ny fanadiovana ny fototry ny hazo. Ny fanadiovana ny toeram-pambolen-kazo mba tsy ho mora ho azon’ny afo. Eo koa ny fanisana ny zanankazo maty sy velona, ka taterina any amin’ ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd).

Partager sur: