Manatona ireo ankizy sahirana, hizara ny fahalalana sy ny kolontsaina. Izay no tanjon’ny AF Mobile, izay hiverina indray. Hiara-dalana amin’izany ny fananganana “Sekolin’ny kanto” hanampy ireo efa misy.
Anisan’ny tetikasa ara-kolontsaina sy fanabeazana, mijery ny maha olona ny AF Mobile. Tsotra ny tanjona: mizara ny kolontsaina sy ny teny frantsay ho an’ireo tsy manana fahafahana amin’izany. Roa taona lasa izay no namolavolan’ny Alliance Française eto Antananarivo ity tetikasa ity, taorian’ny fahatsapana fa misy hantsana be manasaraka ireo ankizy zanaka sahirana sy ireo manan-katao, na samy mandranto fianarana aza. Araka izany, nitondra ireo karazana endri-javakanto nandehandeha nitety ireo sekolim-panjakana, fikambanana tsy miankina miahy ankizy sns, ny AFT nanomboka ny taona 2023, tamin’ny alalan’ny AF Mobile. Hitohy amin’ity volana mey ity indray izany.
Tsy fampahafantarana fotsiny ny zavakanto, fa fampidirana tsikelikely ireo ankizy hilomano ao anatin’izany koa no tanjona. Izay indrindra no nahateraka ny “Sekolin’ny kanto”, teny anivon’ireo sekolim-panjakana sy fikambanana isan-tsokajiny. Mampahalala, mampitia, mampianatra tsikelikely ny zavakanto ho an’ireo mpianatra no tanjona. Misy dimy no hatsangana amin’ity fitetezana hataon’ny AF Mobile ity. Hiompana kokoa amin’ny hairaha ara-endrika amam-bika aloha ny amin’ity taona ity, ka ireo mpanakanto mpisehatra amin’izany no hizara ny traikefany ho an’ireo kilonga.
Hiato amina toerana 20 ny AF Mobile. Amin’ireo lalovany rehetra, hisy ny fampianarana ny teny frantsay amina endrika fialamboly kokoa. Eo koa ny atrikasa kely ho an’ny sary, hosodoko sy hairaha ara-endrika amam-bika, fanentanana amin’ny vakiboky, dihy ary fizarana miaka-tsehatra.
Toa ireo andiany teo aloha, mila ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny sekoly ny AF Mobile. Tombontsoa ho an’ireo kilonga mantsy izany, ka mila fotoana malalaka izy ireo. Fandrisihana ireo ray aman-dreny mba hilofo amin’ny fampianarana ireo ankizy ihany koa no tanjona anatin’ny hetsika, na eo aza ny fahasahiranana, satria maimaimpoana avokoa izany.
Zo ny Aina