Toerana azo ivezivezen’ny rehetra ny morontsirak’ Andaboy. Toy ny morontsiraka rehetra, toerana azo itsangatsanganana ihany koa, toy ny tamin’ny alatsinain’ny Paka teo, izay nahavory olona anarivony, satria nahitana hetsika fialamboly maro. « Milamina ny rehetra », hoy i Anitha. Ho an’i Haraneny Gaëlle, « mazava izao, fa tsy marina ny filazana fa tsy azo ivezivezena ity toerana ity. Fantatray, fa toerana kely, ihany no hampiasain’ny Base Toliara » Araka ny efa nohazavain’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ramahefarivo Jean Bruno, ombieny ombieny, ny 2 ha amin’ny 2 000 ha ihany no hampiasain’ity orinasa ity. Hananganana tranoheva, hitahirizana ny akora ambanin’ny tany, haondrana any ivelany. Mirefy 500 metatra ny halavan’ny tetezana manokana (jetée) mankeny amin’ny fiantsonan’ny sambo ».
Maniry i Haraneny Gaëlle ny hanatsaran’ny Base ny toerana, rehefa mihodina ny orinasa, toy ny hananganana tranoheva fialofana sy tranokely fiantranoana (bungalows), sns.
Njaka A.