Distrikan’Atsimondrano : Rava ny tambajotra mpangalatra kisoa

Efa-dahy niampy ramatoa iray voasambotry ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny marainan’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Ambalavao distrikan’Atsimondrano. Nolavahan’ireo olon-dratsy ny rindrina misy ny kisoa, nopoizinin’izy ireo avokoa ireo biby. Notanteriny tamin’ny gony torian’izany. Nahatsikaritra olona telo lahy niloloa gony nampiahiahy ny tsara sitrapo ka nampandre ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambalavao. Nikasa haka taksibrosy teo Ambalavao RN7 hihozo an’Antananarivo Renivohitra ireo olona ireo. Nandrasan’ny zandary kendry tohana teo Fiadanamanga, Iavoloha ireo nahiahiana. Nosavaina ireto farany. Tratra teny amin’izy ireo ny lohan-kisoa telo natao anaty harona. Natokan’izy ireo anaty gony ny vatan-kisoa telo. Nibaboka ireo telo lahy fa avy nangalarina ireo entana ireo. Nitoroka ny toerana nandrobany izy ireo. Ankoatra ireo telo nentin’ny olon-dratsy, kisoa fito maty nitsirara tamin’ny tany. Nitoroka ny mpivaro-kena mpandray entana halatra izy telo lahy. Vokany, olona roa hafa nosamborina ka vehivavy ny iray.

Tsiferana R.

Partager sur: