Fandaharanasa DEEP : Halalinina ny fikarohana mahakasika ny fahantrana

Tsy ampy ny fikarohana manodidina ny fahantrana eto Madagasikara. Mikaondoha ny manampahaizana, ny mpanapa-kevitra, tomponandraikitra isan-tsokajiny, hikarohana vahaolana mahomby.

Natao teto Antananarivo, ny atrikasa lehibe, entina hikarohana vahaolana maharitra iadiana amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Manatanteraka azy ny Fan­daharanasa Antontam-baovao sy Porofo Hanafoanana ny Fahantrana (DEEP), miara-miasa amin’ny tetikasa Arake, midika hoe «miaraka». Nam­baran-dRtoa Amanda Len­hard, mpikaroka avy amin’ny Onivesite Carleton, fa « firenena valo no voakasika, ka anisan’i Madagasikara. Satria fantatra fa anisan’ireo firenena tena mahantra ny 80% ny mponina. Tsy ampy ny antontanisa manodidina ny fahantrana hatramin’izay, ka mila tohizana ny fikarohana ».
Hita tao daholo ny mpisehatra rehetra, ny manampahaizana mpikaroka, ny mpanapa-kevitra, ny tomponandraiki-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena, sns. Nana­zava ny profesora Blanche Nirina Richard, fa « tsy voatery amin’ny alalan’ny vola miditra isam-batan’olona, na ny fomba fisakafoana, ihany ohatra, no mari-pamantarana ny fahantrana, fa misy singa hafa maro tokony ho fantarina ». Nanamafy izany ny profesora Rasoazananera Marie Moni­que, fa « ho fantarina ny fikarohana sy ny antontam-baovao sy antontanisa efa misy, haravona ary hampiana izay tsy mbola tafiditra. Avy amin’izy ireny no hikarohana vahaolana sy paikady vaovao, entina hamantarana bebe kokoa manodidina ny fahantrana ».
« Manana olona sy harena isika »
Ho an’ny profesora Ratsim­bazafy Jonah, « ananantsika malagasy ny singa ilaina rehetra. Tsy voatery hiantehitra amin’ny antontanisa apetraky ny vahiny. Manana olona sady manana fahalalana isika, manan-karena voajanahary, ahafahana mitondra vahaolana azo ampiharina ».
Vovonana iarahana amin’ny oniversite Cornell, Copen­hague ary Southampton, eo ambany fiahin’ny Oxford Policy Management sy ny vondrona Antontam-baovao ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, vatsian’ny fanjakana anglisy ara-bola, mandritra ny 7 taona.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: