FANTINA sy FINTINA

Nandinika ny fiaraha-miasa manoloana ny tambajotran’ny mpanao kolikoly sy ny momba ireo tsimatimanota ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, omaly, teny Andohatapenaka. Anisan’izany CSI, ny Bianco, ny Arai. Nohamafisina koa ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra ho amin’ny fanatanterahana ny paikady nasionaly, iadiana amin’ny kolikoly.
Voafetra fa tsy manana fahafahana momba ny fifanolanana amin’ny “Iles Eparses” na ireo Nosy ma­lagasy ny eo anivon’ny COI, araka ny nambara’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafarava­vitafika, omaly tetsy Anosy. Nambarany fa antom-pijoroan’ny COI ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena dimy mpikambana.
Miatrika ny fihaonamben’ireo Antenimie­randoholona aty amin’ny ilabolan-tany atsimo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, amin’izao fotoana izao. Tanterahana any Maraoka izany ka ahitana ny avy aty Afrika, Amerika Latinina, ny vondron-tany arabo. Lohahevitra : “Ny filaminana sy fandriampahalemana ary fitoniana…”
Nampahery ny fianakavian’ny ambasadaoro, Rajohnson Hugues Rija ny solontena eo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly. Nitarika izany teny Ivandry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Tsiahivina fa nodimandry ny 21 avrily teo tany Frantsa izy ary halevina, anio eny Antsampandrano, Ilafy.

Partager sur: