Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa, Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny aro loza ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa ny fanovana ireo fehezan-dalana fanamafisana ny adidy sy ny andraikitry ny mpampiasa.
Maro ny ezaka noraisin’ny fanjakana, anisan’izany ny fankatoavana ireo fifanarahana iraisam-pirenena 3 lehibe. Nolaniana koa ny fehezan-dalana mifehy ny asa vaovao tamin’ny taon-dasa.
Andraikitra ifampizarana ny hisian’ny toeram-piasana lavitry ny loza sy ny aretina. Eo an-dalam-pametrahana ny hahafahan’ireo mpiasa tena hisitraka fiahiana sosialy ny fanjakana ankehitriny ary anisan’izany ny fiahiana ara-pahasalamana, hoy hatrany ny minisitra.
Anjara toeran’ny teknolojia amin’ny fanatsarana ny fiarovana mpiasa no novoizina nandritra ny fanamarihana. Tsy azo hiodivorana intsony ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra satria manampy betsaka ny asa izy ireny.
Entina itandroana ny fahasalamana eny amin’ny asa ny fampiasana ny fahaizana artifisialy sy ny haitao ara-kajy mirindra. Manamora ny asan’ny olombelona ary manafaingana ny fandalinana ireo toe-javatra mety hampitera-doza eny amin’ny toeram-piasana.
Fitaovana afaka mamoaka mari-drefy, hahafahana misoroka ny loza ara-pahasalamana mety hahazo ny mpiasa.
Tatiana A