Efa eto amintsika amin’izao fotoana izao ireo iraky ny eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hijery ny fanomanan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ity vondrona ara-toekarena ity.
Mitarika ny delegasionina tonga eto Madagasikara ny sekretaria eo anivon’ny Sadc, ny tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny mpiasa, tarihin-dRadaody Ralarosy Bodo Tantely.
Anton-dian’izy ireo ny fijerena ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisain’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc. Hotanterahina eto amintsika ny volana aogositra izao izany. Mitarika sy mitantana ary filohan’izany amin’
izao fotoana izao rahateo i Madagasikara. Nambaran’izy ireo fa hanao tombana ny fizotry ny fandraisana izany fivoriana an-tampony izany ireto iraka ireto. Eo ny fotodrafitrasa, ny fanentanana samihafa ary koa ireo mpiara-miasa hisahana ireo asa samihafa. Tahaka izany koa ny fanofanana ireo ekipa teknika rehetra hiatrehana izany. “Efa midika ho dingana iray lehibe ho any amin’ny hahatanteraka ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny fahatomombanan’ireo”, hoy izy ireo.
Efa niezaka tamin’ny nandraisana ny COI
Nanamafy izany ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, miatrika ny fivorian’ny parlemantera eo anivon’ny Sadc “FP-Sadc” any Namibia. Nambarany fa anisan’ny ezaka vitan’i Madagasikara ny nandraisana ny fihaonana an-tampony voalohany, farany teo ka nandraisana ireo filoham-panjakana eo anivon’ny COI. “Efa mivonona ny handray ny fivoriamben’ny Sadc koa izahay izao”, hoy izy, omaly.
Araka izany, efa maka bahana handray izany fivoriana iraisam-pirenena faharoa izany i Madagasikara.
Synèse R.