Ho avy matevina ny orana any amin’ny morontsirak’i Vatovavy, Fitovinany ary hiitatra ho an’ny faritra Atsinanana, raha toa ka hiendrika tandrifin-drahona izany ho an’ny atin-tany andrefan’ny Nosy. Tombanana hitohy hatrany ny orana any amin’ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny roa andro ho avy ka ho betsaka kokoa izany amin’ny toerana sasany.
Fahatelo amin’ny faritra misitraka ny ny tolotra omen’ny Cnaps sy ny toeram-pitsaboana ny ao Sava. Ny tetikasa Ombona Mahavelona no ampahafantarina any an-toerana. Hampahafantarina ny fandrotsahana latsa-kemboka amin’ireo trano fiantohana.
Nahatsiaro ireo fianakaviana traboina vokatry ny hain-trano teny Nosibe Andrefana II ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanolotra sakafo, akanjo, fitaovam-pianarana ny kaominina. Nanao ny ezaka ny mpamonjy voina tamin’ny famonoana ny afo ka nisaorana manokana izy ireo.