Hitohy any Morarano Gara, lalam-pirenena RN44 sy ny manodidina indray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo Iray Fy’Art. Hotanterahina ny alakamisy 1 mey ho avy izao izany ary hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny kianja any an-toerana ihany.
Anisan’ireo hitondra ny talentany amin’izany amin’ity seho tantara an-tsehatra ity i Faly sy Rakoto ary Synèse. Miaraka amin’i Antsaravaka sy i Niravo. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra kosa, Bruno Rakotomalala. “Hifanakaiky kokoa isika mpankafy sy izahay mpilalao tantara amin’ny onjam-peo amin’io fotoana io koa tongava maro”, hoy ny nambaran’ny lehiben’ny tarika, Niravo. Nanteriny fa efa ela niandrasana azy ireo iny any amin’ny RN44 iny ary anisan’ny tena maro mpankafy tantara amin’ny radio koa. Hihaona mivantana amin’ireo mpankafy sy mpijery mihitsy izy ireo amin’ity indray mandeha ity.
Hiverina eto Antananarivo sy ny manodidina izy ireo hanao seho an-tsehatra aorian’izany any Morarano Gara izany. Mbola hitodidoha any amin’iny Mangoro sy Alaotra iny indray avy eo.
Tsiahivina fa vao avy nanao seho an-tsehatra voalohany tany Ampefy ny herinandro teo ny tarika Iray Fy’ Art. Ho fanombohana ny hetsika sy ny fitetezam-paritra amin’ity taona ity izany.
HaRy Razafindrakoto