Seba sy Mad Cap Isotry : Afindra eny Fieferamanga ireo vonona hioitra

Tonga teny amin’ny Ex Mad Cap sy Seba Isotry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, nanentana ireo fianakaviana izay vonona ny hiarina amin’ny fiainana ka mazoto ny hanorina fiainam-baovao any Fieferamanga sy Ambohimiarina. Efa arifomba ny fotodrafitrasa handraisana olona hatrany amin’ny 200 tokantrano, raha ny fanazavana. Hanampy azy ireo hanana fahaleovantena ara-pivelomana ny fanjakana raha manana fandavan-tena ny tena hiasa sy hioitra amin’ny fiainana izy ireo.
Tetsy andaniny, nijery ireo fianakaviana maniry ny hiverina an-tanindrazana ihany koa ny minisitra. Misy 21 ireo olona anatin’ny fianakaviana 12 maniry mafy ny hody any amin’ny tany niaviany.
Efa nisy ny andiany voalohany talohan’ny Paka namonjy ny toerana niaviany. Hody any Vakinankaratra indray ireto farany ary efa voaomana ny fianakaviany handray azy ireo.
Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny maha olona izay ilofosan’ny fanjakana izany. Tsy natao honenana mandrakizay ny Seba sy ex Mad Cap. Tokony havaozina ireo fotodrafitrasa ao Isotry ireo ka izany indrindra no handefasana ireo olona mitoby tsy fidiny ao.
Ho an’ireo olona tsy manana fikirizana dia ilazana fa tsy fiainana ny eny an-dalambe. Ny maha olona no ezaka ataon’ny fanjakana ka tokony ho mendrika izany izy ireo ary mila fahatongavan-tsaina.

Tatiana A

Partager sur: