Hisy vatsim-pianarana manokana ho an’ireo hitrandraka ny tantaran’ny zavakanto eto Madagasikara. Misokatra ho an’ireo tanora mpianatra mpikaroka izany, izay karakarain’ny Fonds Yavarahoussen sy ny Institut national d’Histoire de l’Art (INHA). Entanina hametraka ny antotan-taratasiny ireo liana, satria mbola hisy sivana hatao ka izay mendrika indrindra no hotohanana. Tetikasam-pikarohana manodidina ny taonjato faha-19 hatramin’ny taon-jato faha-21 no handrasana.
Kabary ankehitriny, hita ny lesoka na amin’ny ampahany ihany aza. Mahay mikabary rehefa malama vava ? Mitanisa ohabolana ? Heno mampiasa kilalaon-teny ?… Endrika ivelany ireo. Fa, rehefa nidirana lalindalina kokoa, maro amin’ireo mpikabary no tsy mahafantatra ny hevitra fonosin’ireny teny ampiasainy ireny. Anisan’ny mahatonga io tranga io ny tsy fahampian’ny fahalalana eo amin’ny fomba amam-panao, ny hasin’ny teny, ny tantara, sns, eo amin’ny mpikabary ankehitriny.
«Revy sy vazo miteny», iarahana amin’Ifanihy, Bebey, Benny ary i Nini. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 7 ora izy ity, eny amin’ny Cemess Betongolo. Noho ny maha andro tsy fiasana ny rahampitso no namaliana ny fangatahan’ireo mpankafy ny vazo miteny sy ny Revy Lôlô sy ny tariny, amin’ity fiarahana tsy misy matetika ity.
« Tafiako ny hery ». Hira vaovao be, fampiaraham-peon’i Tanjona Randrianarivelo sy i Melky izy ity. Vokatra vaovao be vao nivoaka rakitsary omaly, kanefa avy hatrany dia voarain’ireo mpankafy. Ny antony, hira miresaka fitiavan’olon-droa mivaivay, ary azo antoka fa hanampy ireo hira fampiasa amin’ny fetim-panambadiana izy ity. Ny Davalt Rwikordz no namokatra azy, ary azo antoka fa sava lalana ho an’ny fiaraha-miasa lehibe kokoa izany.