Tsy mahakivy

 

Taorian’ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) dia manao ranolava ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny. Tsy amin’ny raharahan’ny samy fanjakana, indrindra ny amin’ny tsy miankina. Mahavelom-bolo ny fifanomezan-tanana amin’ny fikambanana, na vondron’olon-tsotra. Misy ny fiarahana mirona amin’ny lafiny sosialy sy ny toe-karena.
Anisan’ny teboka tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fametrahana ny paikadim-pampandrosoana an’i Madagasikara ny fiaraha-mientana tahaka izany. Tsy ho an’ny eto an-toerana ihany fa mipaka hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ilay fivelarana amin’ny maha nosy mihitsy no ahafahana mitondra misimisy kokoa ny anjara biriky ho an’ilay Madagasikara.
Ny an’ny COI iny no vita, fa mbola maromaro ny fihanambe an-tampony miandry antsika Malagasy ao. Tsy ho ela ny an’ny Sadc fa tsy ambakan’izany ny fivorian’ny tanora sy ny skoto. Tena handray vahiny maro isika. Manana herijika goavana ihany koa amin’ny fampahafantarana misimisy kokoa an’i Madagasikara amin’ny resaka diplaomasia avo lenta.
Tsy mampitsanga-menatra ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana hatreto, na dia misy aza ny lesoka
amin’ny lafin’ny sosialim-bahoaka. Iaraha-mahalala fa mandalo sedra ny andavanandron’ny mponina. Ny hanina anio, tadiavina rahampitso. Mbola boka trosa ny ankamaroan’ny fianakaviana maro.
Fomban’ny kilalao politika rahateo izay misy fifanoheran-javatra izay. Tsy voatery hisosasosa foana ny zava-misy sy iainana. Misy ny mifanipaka kanefa natao hifameno. Tsy maintsy misy foana koa ny lafiny roa amin’ny zavatra iray. Misy ny mahasoa, misy ny ratsy kanefa tsy maintsy handrafetana ny paikady handresena ny zavatra tsy mandeha hatrany izany. Tsy misy hatao mahakivy!

r.r

Partager sur: