VAOVAO TAMBATRA

Nahitam-pidinany ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana raha oharina ny tamin’ny iray volana lasa. Vidina eo anelanelan’ny 2 800 ka hatramin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary Manalalondo, Zanatany, Dista, Makalioka sns. Tafakatra hatrany amin’ny 3 700 sy 4 200Ar ny vidin’ireo teo aloha. Izany hoe, nahitana fihenana manodidina 4,76% ka hatramin’ny 24,32%.

Vitsy an’isa ny vehivavy malagasy mpandraharaha raha oharina amin’ny lehilahy. Tombony ho an’ny vehivavy ny fahaizany miatrika ireo fanamby hanatsarany ny fahaiza-mitantana. Eo koa ny mampiroborobo sy mampivelatra hatrany ny orinasa tantaniny. Na izany, mijanona ho olana ny sehatry ny famatsiam-bola sy ny fahatokisan-tena.

Mitohy ny fahatapahan-jiro mifandrimby eo amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Miiba ny ahavon’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ka mahatonga tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina. Voatery manapaka 13,7 MW ka hatramin’ny 15,5 MW ny orinasa Jirama.

Mandray anjara amin’ny hetsika Arabian Travel Market (ATM) atao any Dubaï mandritra ny efatr’andro i Madagasikara amin’ny alalan’ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Vovonana iray hahafahana mifanakalo hevitra sy mitady ireo soa fanararaotra ka hampahafantatra ny Nosy malagasy sy ny hakantony ny hairanty hampiroboroboana ny fizahantany lovainjafy.

Partager sur: