Masaka ny nahandro. Miditra sy efa milona tanteraka eo amin’ny tontolon’ny vazo miteny, i Zanasalanitra amin’izao fotoana izao. “Aingam-panahy zanantany ilay vazo miteny ataonay ary efa nivoy izany an-taona maro. Tapa-kevitra kosa taty amin’ny taona 2019 hamoaka ny sanganasa amin’izay”, hoy izy. Nambarany fa tonga ny fotoana sy ny sehatra hametrahana izany mozika izany amin’ny toerany ho an’ny olombelona, manan-tsofina. Na izany aza, niaiky izy fa misy ihany ny manahirana eo amin’ny mozika, ataony. Anisan’izany ny eo amin’ny famoronana sy ny fandrindrana izany rehefa voaforona ny hira, araka ny nambarany hatrany. Naneho fahavononana ny tenany ny hampiakatra avo izany vazo miteny izany ary hampisongadina manokana ny mozikany manomboka izao, amin’ny hifehezany sy ny fahaizany azy. “Gadona tsotra nefa mandona ary takatry ny rehetra sy mora raisina ny antsika”, hoy izy.
Nanteriny fa ilaina ny fifanatonana raha eo amin’ny sehatry ny varotra amin’izany mozika ataony izany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto