Natao ny 22 avrily teo, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Ofisy malagasy mahakasika ny vokatra ara-tsolika (OMH), ny minisitera mpiahy ity sehatra ity ary ireo orinasa misehatra amin’ny solika (mpaninjara, mpitahiry, sns). Maromaro ny hevi-dehibe nodinihina, toy ny fanehoan-kevitra momba ny fandrafetana ny Politika mahakasika ny solika avy any ambony (Lettre de politique de l’aval pétrolier). Noraisina koa ireo fanamarihana sy soso-kevitra entina hanatsarana ny volavolan-dalàna, hanamafisana sady hanavaozana ny fitsipika mifehy ny fanorenana sy ny fiasan’ny toby mpaninjara solika.
Tanjona tamin’ity fikaonandoha ity ny fampitoviana ny fomba fijery ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra miabo. Eo koa ny fifampiresahana misokatra ary indrindra ny hisian’ny fiaraha-miasan’ny rehetra, entina hanatsarana ny sehatry ny solika eto Madagasikara.
Tsiahivina fa miahy sy mandrindra ny tontolon’ny solika ny OMH. Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ny vidin-tsolika iraisana, na samy manana ny vokatra amidiny aza ireo toby mpaninjara mba hisian’ny fifaninanana.
Njaka A.