Eo am-pikarakarana ny fandraisana ireo mpiadina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’izao fotoana izao, ny mpiandraikitra ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny adina eny amin’ny kianja ao Isahafa sy eny amin’ny kianjan’ny fikambanana Akamasoa. Manala fahasahiranana tanteraka ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpiadina ny fahazoana ny kianja vaovao eny Isahafa satria tsy voatery mandeha lavitra intsony ireo mpiadina eny Sabotsy Namehana, Ambohitrabiby, Talata Volonondry… rehefa hiatrika ny adina ara-panatanjahantena, hoy ny lehiben’ny Cisco Avaradrano, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanàna ao Anosy Avaratra no nahazoana ny kianja ao Isahafa izay efa manaraka ny fenitra ka afaka mandray adina ho an’ny fanadinam-panjakana.
Tonga eo akaikin’ny kianja rahateo ny taxi-be mampitohy ny tanàna amin’ny fokontany manodidina ka tsy ho sarotra ny fivezivezena ho an’ny mpiadina.
Manomana ny pitsopitsony samihafa ny tomponandraikitra rehetra voakasiky ny taranja.
Vonjy