Tsy mbola afaka manapa-kevitra amin’ny daty hamerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa miandry ny fanapahan-kevitry ny filankevi-panjakana izy ireo. “Miankina amin’izany ny hamerenana ny fifidianana. Na izany aza, efa namolavola daty hanaovana izany amin’ny faran’ny mey ity izahay”, hoy ny Ceni.
Ny fiantraikan’ny fisintahan’ny Amerikana amin’ny Afrikana, amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny tsy fananana asa. Anisan’ny niompanan’ny dinika eo amin’ireo parlemantera FP-Sadc atsy Namibia izany. Any an-toerana ny filohan’ny Antenimiera, Tokely Justin. Voaresaka koa ny toeran’ny Antenimiera amin’ny varotra, ny hetra…
Nanambara ny fahavononany hiatrika ny fivorian’ny solombavambahoaka amin’ity volana mey ity ny depiote, Raholdina Naivo. “Tokony mba hisy akony amin’izay amin’ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka ny lalàna hataonay. Hitondra soso-kevitra, hitondra lalàna vaovao ny tenanay amin’izany”, hoy izy.