Mpanohana tsy tapaka ny BNGRC ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty rehefa misy voina na loza miseho ka mahavoa ny mpiara-belona. Hapetraka ho tahiry ireo sakafo sy fitaovana azo hiomanana sahady amin’ny voina toy ny afo sy ny hafa.
Efa hifarana ny fotoam-pahavaratra 2024-2025 ary tsy misy traboina raisina an-tanana intsony eny amin’ireo toerana natokana ho amin’izany, amin’izao fotoana izao. Rehefa dify ny fahavaratra, mahazo vahana indray ny afo ka ilaina hatrany ny manana tahiry amin’ny sakafo sy ny fitaovana hikarakarana ireo niharam-boina, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Elack Andriakaja Olivier, omaly teny Andrainarivo. Hatao fiandry ny fanampiana natolotry ny tomponandraikitry ny fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany, teny amin’iy foiben-toeran’ny BNGRC, omaly. Nahitana vary 5t, voamaina 2t, menaka 400 tavoahangy, kidoro 2000 ; bodofotsy 2000, akanjo mafana sy akanjo fitafy 200 ny fanomezana izay vokatry ny latsakemboky ny mpino 17 tapitrisa maneran-tany, hoy ny filohan’ny tsatoka Manakambahiny Antananarivo avy ao amin’ny fiangonana, Rakotomanana Valisoa. Adidy ho an’ny mpino ny mitondra fanampiana ho an’ny mpiara-belona rehefa misy voina. Misy fanoloran-tena ataon’ny mpino rehetra ka hanokanana ny vola tokony hividianana sakafo mandritra ny alahady iray amin’ny volana harotsaka ao amin’ny kitapom-bola entina hanampiana ny mpiara-belona. Avy amin’izany no nividianana ny sakafo sy ny fitaovana, hoy ny fanazavany ihany.
Efa an-taonany maro no manohana tsy tapaka ny mpiara-belona sahirana ny fiangonana nanomboka ny taona 2020 tao anatin’ny loza voajanahary sy ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Manome trano ahafahana mandray ireo traboina koa ny fiangonana rehefa tonga ny rivodoza toy ny niseho tamin’ny taona 2023, araka ny fanamarihin’ny tale jeneralin’ny BNGRC. Hanaraka ny toromarika avy amin’ny fiangonana momba ny fitsinjarana ny sakafo ny BNGRC rehefa misy ny filana ; vary 12,5kg, voamaina 5kg ary menaka 1l no anjaran’ny fianakaviana iray.
Vonjy