Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy amin’ny lalana hiditra ny kianja Elgeco plus by pass, ny alarobia tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo. Olona efatra niara-namoy ny ainy tao anaty fiara Clio, voadona mafy.
Fiara telo samihafa nifandona nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy akaikin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass, afakomaly alina. Niavian’ny loza ny fiara Hyundai I30, avy any Iavoloha nizotra nianavaratra. Nentina teratany sinoa iray, voalaza fa mamo sy nandeha mafy. Nisongona fiara teo alohany izy ka nanitsy sy nifandona mafy tamin’ny fiara Renault Clio nifanena taminy. Vokatry ny fifandonana, tafahodina io fiara io ka nandona ny fiara 4X4 nandeha taoriany. Nivarina tany anaty rano kosa ilay fiara Hyundai I30 taorian’ny fifandonana. Fiara avy any Ankorondrano hihazo an’Iavoloha ilay fiara Clio voa mafy. Handeha hanatitra ny mpiara-miasa aminy izy no izao niharan-doza izao. “Olona dimy ny tao anatin’ny fiara Clio tamin’io fotoana io. Olona telo mianaka, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy roa lahy”, hoy ny rahalahin’ny maty, Rajaonarison Mamy Clary, raha nanontaniana. Maty teo no ho eo, vokatry ny hamafin’ny fifandonana ny raim-pianakaviana 49 taona, namily io fiara io. Tery sy voatsindry tao anaty fiara ilay ramatoa vadiny (mitovy taona aminy). Nisokitra azy io tao anaty fiara ireo nanatri-maso ka nibata azy teo amin’ny sisin’arabe. Nentina teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avy hatrany ireo telo naratra mafy ireo avy eo. Namoy ny ainy teny an-dalana hitondrana azy tany amin’ny hopitaly ilay renim-pianakaviana.
Maty tany amin’ny hopitaly
Maty, omaly tamin’ny 3 ora maraina, teny amin’ny hopitaly ilay zazavavikely (13 taona) zanak’izy ireo. Namoy ny ainy tamin’ny 4 ora maraina tany ho any kosa ilay lehilahy hafa niaraka tamin’izy ireo. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly kosa ny lehilahy iray hafa. Monina etsy Ankazomanga ireo telo mianaka niara-namoy ny ainy ireo. Hoentina any Ankaraobato kosa ny vatana mangatsiakan’izy ireo aorian’ ny fizahana ataon’ny mpitsabo etsy amin’ny tranom-paty. Marihina fa nandositra ilay Sinoa saingy tratran’ny fokonolona sy ny polisy ihany taorian’ny tranga. Efa tazomina miatrika fanadihadiana eny anivon’ny Poste de Police Imerimanjaka izy amin’izao fotoana izao, mandra-pahatongan’ny mpandika teniny sy ny fianakaviany.
Mino