Fihaonana faharoan’ny mpitantana : Hiresaka ny teknolojia ao anatin’ny fitantanana

Tsy afa-misaraka eo amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra hampandrosoana ny fandraharahana sy ny fitantanana. Maro ny tombontsoa entiny, misy koa ireo voka-dratsin’ny fikirakirana ny teknolojia.

Hampahafantatra ireo tombontsoa sy ny fiantraikan’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitantanana ny Dr Fabrice Lollia, matihanina eo amin’ny teknolijia sy ny fandraharahana. Manampy azy ny Dr Lou Maurica, tompon’andraikitry ny oniversite Haute Ecole en Infor­matique (HEI). Eo koa Andria­mahery Ryan, tale an’ny fitantanana eo anivon’ny HEI. Ho voaboahasin’ireo matihanina ireo eny amin’ny Hôtel 5 étoiles Ivato, ny 10 mey, ireo fomba fanao tsara ny nomerika hampahomby ny fitantanana sy ny fandraharahana. « Miavaka ny lohahevitra mandritra ny fihaonana faharoan’ny mpandraharaha noho izy hiompana tanteraka amin’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fitantanana », hoy ny Dr Fabrice Lollia. Horesahina manokana ireo fomba hisorohana ny loza mety hiseho, ny lafiny tsara sy ratsy ny fampiasana ny teknolojia amin’ny fitantanana olona sy orinasa.

Fampandrosoana

Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny fandraharahana. Ilaina ny fananana paikady hampahomby ny fitantanana sy ho fampandrosoana ny fihariana. Tafiditra ao anatin’izany ny fifantohana sy ny fahavononana hiatrehana ireo fanamby samihafa sy ny vina apetraka. Mila omen-danja ny tsirairay ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana hahafahana mandroso sy miatrika ny manodidina ha­hazoam-bokatra. Takina ny fahaiza-miaraka amin’ny ekipa, ny faharetana, ny fikirizana ary ny fifanajana. “Mpisehatra ma­nodidina ny 30 eo no andrasana ho avy amin’ity hetsika karakarain’ny Peak business Part­ner, Focus, Nexacom ary HEI ity. Tafiditra ao anatin’izany ny mpitantana orinasa, mpandraharaha, tompon’andraikitry ny fitantanana ny olona sns”, hoy Randrianan­tenaina Hasina, tale jeneralin’ny Peak Busi­ness. Mano­ha­na tanteraka ny hetsika ny Yas. Anisan’ny vokatra arosony tsy ho ela ny “Yas business” hanohanana ireo mpandraharaha, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rahari­man­jato Eli Malala.

Henintsoa

Partager sur: