Nifarana teo amin’ny laharana fahenina ny dian’ny Barea Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano na ny Futsal. Fihaonana, notanterahina tany Maroc. Ny talata lasa teo, niondrika teo anatrehan’ny faraonan’i Ejipta, tamin’ny isa 4 no ho 2 ny tovovavin’ny Barea de Madagascar nandritra ny fiadiana ny laharana fahadimy.
Na nanao izay ho afany aza ny Barea Ladies, tsy afa-nanoatra nanoloana ny traikefa nananan’ireo ejiptianina, izay nanao totoafo ny fanafihany. Na izany aza, nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Malagasy teo am-pialan-tsasatra. Tsy nahatafiditra baolina intsony anefa ny Barea, teo amin’ny fidirana faharoa. Nahafaty 3 kosa ny ejiptianina izay nivoahan’izy ireo ho mpandresy. Nahazoan’ny delegasionina malagasy traikefa na ho an’ny mpanazatra na ho an’ny mpilalao iny Can tany Maroc iny, izay sambany no niatrehana izany.
Raha tsiahivina ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Nanao ady sahala 5 sy 5 tamin’i Senegal ary 4 sy 4 tamin’i Tanizanie, tao amin’ny vondrona “A”. Tsy tafakatra hiady ny manasa-dalana satria tsy ampy hiadiana ny toerana faharoa tsara indrindra, ny isa azony. Hisolo tena an’i Afrika amin’ny “Mondial”, hatao any Philippines, ny 21 novambra ka hatramin’ny 7 desambra izao, i Tanzanie sy i Maroc.
Tompondaka