Nitsidika ny distrikan’i Morombe ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy nandritra ny diany. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana misy sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka. Nitsidika ireo sekoly efatra amin’ny 22 hatsangana miaraka amin’ny ONG UWS Madagascar.
Ao amin’ny faritra Diana, efa nahazo fiofanana avokoa ireo nisoratra anarana tamin’ny hetsika “Fijery Hafa”. Taranja isan-karazany no natolotra ho an’ireo tanora, toy ny : agro-alimentaire, art de la table, comptabilité simplifiée, coupe et couture, pâtisserie. Miisa 1235 ireo efa nahavita fiofanana, ary mitohy hatrany izany fanofanana izany. Anisan’ny taranja nisongadina indrindra ny patisserie, cuisine ary ny agro-alimentaire izay samy momba ny sakafo avokoa.
Manazava ny dokotera fa ny fanafody pilina Sulfadoxine-Pyrimethamine dia fiarovana ho an’ny reny sy ny zaza ao an-kibo amin’ny voka-dratsin’ny tazomoka, mandritra ny fitondrana vohoka. Azon’ny vehivavy bevohoka any amin’ny tobim-pahasalamana, mandritra ny fanaraha-maso ara-pahasalamana (CPN) izany fanafody izany ary maimaimpoana.
Manamarika ny faha-10 taona nijoroany ny hopitaly Anosiala. Sady toeram-pitsaboana no toeram-piofanana ho an’ny mpianatra ho dokotera, sy ireo mpiofana ho specialist eny an-toerana. Anisan’ny toeram-pitsaboana nandray anjara betsaka tamin’ny fandraisana an-tànana ny Covid ihany koa ny hopitaly Anosiala.