Natolotry ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, tetsy Anosy, ny fitaovana sy kojakoja informatika ho an’ireo kaominina, miisa 21. Tafiditra amin’ny Matac II izao fampitaovana izao.
Fitaovana maoderina entina hanatsarana ny fitantanana eny anivon’ireo kaominina miiisa 21 eto Antananarivo sy ny manodidina izany natolotra izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Andriamananjara Sandrina fa tafiditra amin’ny paikady entina hanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy fandraisana andraikitra amin’ny fampihenana ny fahataran’ny famindrana antontan-taratasy eo anivon’ireo sampan-draharaha ny Matac II. “Natao hiantohana na hiarovana ny dosie sy ahafahana manaraka ny antontan-taratasy koa izany”, hoy izy. Midika fa miditra amin’ny tontolon’ny nomerika na ny “Digitalisation” ireo kaominina nisitraka izany. Nanteriny fa tanjon’ny tetikasa amin’ny Matac II ny fampihenana ny kolikoly ary ny fandalana tanteraka ny mangaraharaha amin’ny lalana sy ny zotran’
ireo antontan-taratasy rehetra. Anisan’izany ny dingana rehetra amin’ny antontan-taratasy fangatahana alalana ho amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. “Manampy amin’ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny kaominina koa ny Matac II. Entanina koa anefa ny mponina mba hiditra amin’ny fanorenana manaraka ny fenitra sy matihanina ary ara-dalàna ho amin’ny fanatsarana ny tanan-dehibe”, hoy ihany izy.
Nanambara ireo ben’ny Tanàna fa tena ilaina ireo fitaovana vaovao ireo. “Niatrika olana maro samihafa izahay amin’ny sehatry ny “Digitalisation” nialoha ny nampidirana ny Matac. Inoana fa hanamora ny asanay ny fahazoana ny fitaovana tahaka izao”, hoy ny ben’ny Tanàna eny Itaosy, Rasolofo Haja.
Synèse R.